Communiqué du 12 Février 2020

Communiqué du 12 Février 2020

Manoloana ny fanaparitahana vaovao amin’ny gazety sy amin’ny pejy vao niforona eto amin’ny tambazotran-tserasera Facebook dia manao izao fanambarana izao ny FEDERASIONA MALAGASY NY BAOLINA KITRA :
Ny vaovao marim-pototra sy ireo fanapahan-kevitra rehetra momba ny Federasiona sy izay rehetra mikasika azy (fitantanana, fikarakarana ny lalao sy fifaninanana, mpanazatra, sns.) dia izay mivoaka ao amin’ny tranokala : www.fmf.mg sy ao amin’ny pejy ofisialy Fédération Malagasy de Football irery ihany.

Ny mailaka ofisialy izay ifaneraserana amin’ny Federasiona Malagasy ny Baolin Kitra kosa dia : fmf@fmf.mg
Marihana etoana fa ireo ihany no fifandraisana efa nampiasaina hatrizay, izay hany manan-kery eo anivon’ny ray aman-dreny mpiahy dia ny FIFA sy ny CAF.

laissez un commentaire